L’innovation étant au cœur de l’entreprise, Agricom s’effacera au profit d’un nouveau nom commercial : TERRA. La terre agricole est symbole de notre vision d’offrir aux paysans malgaches des intrants agricoles de qualité, respectueux de l’environnement. La couleur du logo pouvant varier selon les situations, souligne notre volonté de nous adapter aux contextes et aux besoins.

L’innovation étant au cœur de l’entreprise, Agricom s’effacera au profit d’un nouveau nom commercial : TERRA. La terre agricole est symbole de notre vision d’offrir aux paysans malgaches des intrants agricoles de qualité, respectueux de l’environnement. La couleur du logo pouvant varier selon les situations, souligne notre volonté de nous adapter aux contextes et aux besoins.

Flèche verte décoration

Ny fahasimban’ny tany, ny fandotoana amin’ny endriny rehetra dia miteraka ny fiharatsian’ny tany fambolena. Io tsy fahampian’ny tany lonaka io dia misy fiantraikany betsaka amin’ny tontolo iainana ary misy voka-dratsy ihany koa amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy. Eto Madagasikara dia hita izany amin’ny fihenan’ny harena voajanahary, ny fiovaovan’ny toetrandro (hafanana, orana miato na tsy misy) ary ny sakana amin’ny famerenana ny rano ambanin’ny tany, izay mitarika tsy fanjariana ara-tsakafo sy fiankinan-doha amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Lehibe ny fanamby ho an’i Madagasikara :
mamokatra bebe kokoa ary mamokatra tsara kokoa.

Amin’izao fitomboan’ny isan’ny mponina izao dia tokony ho vaindoha-draharaha ny fahaleovana ara-tsakafo. Ary ankoatry ny fahampiana sakafo dia tokony eritreretina ihany koa ny kalitaon’izy ireo satria anisan’ny antony lehibe mahatonga ny aretina mitaiza sy fahafatesana.
Ny fanamby dia ny fampitomboana ny famokarana amin’ny alalan’ny fiarovana ny famboleana sy ny fahasalaman’ny biby fiompy. Mitaky fomba vaovao sy mahomby izany ny fiarovana ny fahasalaman’ny zavamaniry sy ny biby.

Logo Agricom

Ny Terra dia :
Manolotra vokatra tsara, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena
Mikendry ny fambolena sy fiompiana azo antoka sy maharitra ary miara-miasa noho izany amin’ny mpamatsy mitovy soatoavina.
Manolotra vahaolana mahomby, manaraka ny teknika vaovao avo lenta izay manaja ny tontolo iainana ho an’ny Malagasy.

Manofana ny mpaninjara miara-miasa aminy ny Terra satria ny fahasalaman’ny olombelona dia mendrika fahalalana sy fahaiza-manao manokana. Mampianatra ireo mpampiasa fanafody koa izy amin’ny fampiasana izany.
Ary satria ny AGRICOM dia mino fa ny fivoaran’ny fiainana eto Madagasika dia mitaky fahalalana momba ny fomba fiasa dia manome fiofanana koa izy momba ny fitantana ny asa mifandraika amin’ny fambolena sy fiompiana.

Logo Agricom élevage

Fiompiana

Ahitana fanafody miisa 180 ho an’ny akoho, omby, kisoa, sy ny alika.
Ao ny Vaksiny, fanampin-tsakafo, fanadiovana trano, antibiôtika, ody kankana, fanamaivanana ny aty sy ny voa.

Mpamatsy :

  • Ceva
  • Laprovet
  • Boehringer (Merial taloha)
  • Le Gouessant
  • Act
Logo Agricom agriculture

Fambolena

Ahitana fanafody sy zezika miisa 150 izay natao ho an’ny famokarana vary, legioma, voamaina sy voankazo. Ao ny fiarovana amin’ny aretina, famonoana bibikely, famonoana ahi-dratsy, fikarakarana masom-boly sy vokatra zezika.

Mpamatsy :

  • Savana
  • Arysta
  • Dow
  • Fertinagro
Logo Agricom Industrie

Indostria

Misy karazany enina ny vokatra ao amin’ny Terra Indostria : fanadiovana rano, piscine, lamba, fikarakarana sy fanadiovana, hanitra, fanafody famonoana bibikely. Natokana ho an’ny orinasa ireo vokatra ireo.

Mpamatsy:

  • Aloès
  • Mane
  • Protex
  • Lonza
  • Savana
  • SNF*

Fifandraisana

5 + 6 =