Accueil / Sur le terrain



Terra dia tsy mpamatsy vokatra ho an’ny fiompiana, ny fambolena na ny indostria fotsiny fa mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanjifany tsirairay ihany koa.
Mba hahafafan’ny mpanjifa mitsara ny kalitaon’ny vokatra, Terra dia manana paik’ady toy ny fampiofanana ireo mpaninjara, fanaovana andrana…
Amin’ny maha-mpikambana ny Terra ao amin’ny TERRA Group dia mampiasa ny fanafody ihany koa izy ao amin’ny « La Ferme d’Ivato ». Tsara ho fantarina fa ny vokatry ny « La Ferme d’Ivato » avy eo dia hita eny am-bilian’ny « Le Combava », « La Rôtisserie » ary indrindra ny « Auberge de la Ferme d’Ivato ». Izany rehetra izany dia mampiseo ny kalitaon’ny vokatra.
Manana traik’efa lehibe izany ny Terra amin’ny fampiofanana : manana fitaovana entina mampiofana maro izy ary mikarakara fiofanana lehibe isan-taona ho an’ireo mpaninjara miara-miasa aminy.
Koa satria i Madagasikara dia firenena lehibe izay ahitàna fiovaovana goavana amin’ny toetr’andro sy ny fambolena, izahay dia manao andrana matetika eny amin’ny mpanjifa mba handrefesana amin’ny fomba mangarahara ny tena fiantraikan’ny vahaolana entinay eo amin’ny toekarena.





